One world · 249 countries · Every country has a place in the news
AboutContactAdvertiseRSSSubmit News
ADVERTISING OPPORTUNITYYour business deserves global visibilityCHECK AVAILABILITY
⌕
LATEST
Home› Madagascar› Tamin’ny andronay, tsy nisy an’izany

Tamin’ny andronay, tsy nisy an’izany

MadagascarBy noreply@blogger.com (Webmaster)Sep 24, 2026, 2:35 AM
🇲🇬 MadagascarNEWS DESKPublisher image not supplied
NEWS DESKMadagascar
PUBLISHEDSep 24, 2026, 2:35 AM
NEWS BRIEF

What the source reports

Rehefa miresaka amin-janako aho dia matetika mahateny hoe «Ka tamin’ny andronay, tsy nisy an’izany». Ilay «andronay» resahako amin’io, ny taona 1980-1990, nitovizako «génération» aminy ankehitriny. Mihomehy maneso mantsy ny ankizy hoe «inona no mba nisy» tamin’ny andronay. Tsy nahay izany «céréales» izany sakafo maraina. Tsy nihinana «La vache qui rit» isan’andro. Nisy tokoa fotoana, «krizy» sa «sosialisma» (tao anaty Boky Mena) sa «krizy noho ny sosialisma», na dibera aza tsy nisy teto. «Chocolat» sy «corned beef» (Sevima) izany, ohatran’ny tsaroako hoe hafakely haingitraingitra. Ny akoho tamin’izany, tsy fen’akoho vidiana eny amin’ny «grandes surfaces», fa safidiana velona eny an-tsena ary tapahin-doha sy volosana ao an-trano (bitro ary moa vitan’i Papanay toy izany teo imasoko). Inona no tsy efa natonotono nandrakandramana : valala, halabe, voangory...

«Beurk» hoy ny ankizy ankehitriny... Nandrehitra afon-tsaribò tamin’ny fatapera (tsy azony maninona aho no nividy tampoka fatapera tanimanga tany Ankazobe). Nitsimpona sy nanofa vary (inona moa izany sahafa ? ). Rehefa tsy misy sira vovony dia nahay mitoto sira vaingany amin’ny tavoahangy. Tsy nisy inona tokoa moa, tamin’izany ? Tsy nisy televiziona maro isafidianana ary samy mandeha 24/24 : Radio Televiziona Malagasy tokana dia tokana, manomboka harivariva mbola voabahan’ny kabarin’ny Filoha hajaina adin’ny roa. Tsy nisy Canalsat, tsy nisy Netflix. Nahavatra nisoratra anarana tamin’ny CCAC (Centre Culturel Albert Camus) dia mandany andro manontolo ao, mamaky boky fotsiny. Fa toa mba nahatety firenena maro an’eritreritra ihany anefa. Tsy nisy «délestage» kosa tamin’ny andronay, saingy tsy maintsy mamono jiro rehefa tsy misy «Ligue des Champions» na «Documentaire» na «Film» ho jerena…

MORE CONTEXT

Continue with related coverage

Main source: L'Express de Madagascar

TDBN presents the written preview supplied through the publisher's feed. Complete reporting, continuing updates, context, and corrections remain with the original report.

Read the complete report ↗
KEEP READING

More news from this desk

← RETURN TO MADAGASCAR NEWS